INDRAY MIJERY

Halefaka ny tsiokan’ny varatraza ato anatin’ny telo andro sy ny fiafaran’ny herinandro. Varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny fisasahan’ny herinandro. Tombanana hitoetra ny orana tandrifin-drahona any Avaratra atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hiverina ny orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka Atsinanana. 8- 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 19 – 35°C ny tolakandro.
Ho an’ny “Marathon de formation” miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ao Manja, maro ireo vahoaka nisoratra anarana maniry ny hampitombo ny fahaiza-manaony sy hanatsara ny fiainany. Manome lanja ny fanomezana fiofanana maimaimpoana sy misokatra ho an’ny rehetra, izay mifanaraka amin’ny filana sy ny toe-javatra misy ao amin’ny fiarahamonina izany. 5 089 ny olona izay nanaraka ny fiofanana ka ny fanamboarana savony no maro indrindra.
Nandritra ny fanamarihana ny Herinandron’ny Vondrona eoropeanina, tany Anôsy, tamin’ny herinandro teo, no nampahafantarana ny “Pacte vert pour Mada­gascar” sy ny tetikasa “Talaky BeMitentina”. 74 tapitrisa euros no totalin’ny famatsiam-bola iantohan’ny Von­drona eoropeanina sy ny AFD amin’ireo tetikasa roa ireo.
Tsy mbola mety voavaha ny olan’ny haintany any amin’ny faritra Atsimo. Napetraka ny paikadin-tserasera ahafahana manalefaka ny fianjadian’izany. Ireo mponina sy ireo manana andraikitra any Atsimo, mahafantatra ny toetoetry ny fiarahamonina sy ny maharary azy ireo no nantsoina hanome ny hevitra mahakasika izany.

Partager sur: