INDRAY MIJERY

Namoaka ny vokatra avy amin’ny rafi-pamokarana maharitra amin’ny faritra avo eto Madagasikara ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ambanivohitra (Fofifa). Anisan’ireo nampirantiana ny karazam-bary an-tanety, ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fampiasana ny kankana sy ny zezika azo avy aminy. Mpikaroka 60 avy amin’ny AfricaRice, Fofifa, Fifamanor, GSDM, Oniversiten’Antananarivo, Cirad ary IRD no miantsehatra ao anatin’ny tetikasa.
“Andao hiaraka ientana ho fanajana ny tontolon’ny fadimbolana” no lohahevitra noraisina ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Tany amin’ny distrikan’i Farafangana no nanatanterahana izany, nahitana fampianarana samihafa sy fanentanana miaraka amin’ny fitiliana sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana, ny alarobia lasa teo.
Anisan’ny miteraka fikorontanan’ny fahasalamana ny diabeta ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Anisan’izany ny fiakaran’ny tosidra. Laharana faharoa manono olona ny tosidra, raha ny tatitra OMS 2022. Niakatra 14% ihany koa ny olona diabetika raha 7% izany teo aloha. Samia mitandrina ny fahasalamany.
Nampiofana momba ny vonjy voina ny ekipan’ny Departemantam-panjakana amerikana misahana ny Fahasalamana. Nohamafisina ny fahaiza-manao momba ny fitsaboana vonjy taitra sy famonjena aina. Nandray anjara ireo ekipa miisa 90 avy ao amin’ny Institut médical de Madagascar Anosy sy ny Hopitaly loteriana Ambohibao.

Partager sur: