INDRAY MIJERY

Hatsangana ny ivontoeram-pandrindrana (CCO) ao Belaza, ao anatin’ny distrikan’Ampanihy. Lehibe sy maoderina izy ity hiatrehina ny loza sy tandindon-doza any atsimon’i Madagasikara, hapetraka amin’ny velaran-tany 5 000 m toradroa. Ankoatra ny trano lehibe ho an’ny CCO, misy koa ny birao sy efitra lehibe ho fitehirizana entana ahafahana mihetsika avy hatrany amin’ny hamehana sy ny ambana. Miteti-bidy
2 miliara mahery ny tetibidin’ny fotodrafitrasa hatsan­gana ka tetikasa “Mionjo” amin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena no nanome manon­tolo ny vola. Haharitra efa-bolana ny fanamboarana

Mbola ny varatraza malefaka no mamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara. Araka izany, ho maimaina ny andro, amin’ny ankapobeny, ankoatra ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy izay mety ahitana orana malefaka. Mila mitandrina hatrany ny eny an-dranomasina na tsy misy aza ny filazana fampitandre­mana, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.

Aleo tsy manandrana raha tsy mbola tafiditra amin’ny sigara sy paraky ary ireo zava-mahadomelina, hoy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Raha maniry ny hiala, afaka manatona ny Centre de sevrage Ofnalat eny Itaosy.

Partager sur: