Filoha Rajoelina Andry:”Mitaky fandavantena ny asa fampandrosoana”

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny fananganan-tsaina ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny faha-65 taonan’ny Foloalindahy. Natao teny amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Analakely, izany ary notarihin’ny filoha Rajoelina Andry.

“Mitaky fandavantena ny asa fampandrosoana ny firenena, indrindra fitiavan-tanindrazana. Izany no manosika antsika rehetra hanao ny tsara, hanaja lalàna, ary hifanome tanana. Mba hahazoana miara-manorina sy manangana firenena vanona sy mandroso izany. Mila marihina ao anatin’ny asa sy ny zavatra rehetra atao ny fitiavan-tanindrazana. Na amin’ny fiainana andavanandro izany, na amin’ny asa fanasoavana mety ataon’ny tsirairay”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Raha tsy ny fitiavana no mibaiko ny asa, tsy ho tratra ny tanjona. Raha tsy ny tanindrazana no laharam-pahamehana, tsy hisy ny fivoarana. Raha mibanjina fandrosoana, tsy maintsy miara-misalahy. Fotoana hanavaozana sy hanamafisana ny firaisan-tsaina izao. Aoka ny tsirairay ho amin’ny tanjona iraisana ho mariky ny tena fitiavan-tanindrazana amin’ny asa sy ny fihetsika ary amin’ny fandraisana andraikitra sy fandavantena.

Fanentanana ny rehetra hanangan-tsaina

Izay no nanentanany ny rehetra hiara-kanangan-tsaina. Eny amin’ny trano fonenana izany, sekoly, toeram-pi­tsaboana, biraom-panjakana, sampandraharaha miankina na tsia… Ho reharehan’i Ma­dagasikara izany, fa mahaleo tena ary matoky ny hoavy. “Mijoro hatrany isika hanatratra ny tanjona iombonana: i Madagasikara tsy maintsy mandroso”, hoy izy.
Nisy ny fampisehoana ho­rontsary ny tantaran’i Mada­gasikara, ny dia fanehoana ny sainam-pirenena, ny filatroana ara-javakanto maneho ny isam-paritra nataon’ny andrimpanjakana sy ny sampandraharaha sami­hafa…

R. Nd.

Partager sur: