SOMBIM-BAOVAO

Ao anatin’ny fanomanantena tanteraka ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny rugby lalaovina olona 7, amin’izao fotoana izao. Hano­mana ny fifaninanana «Africa Men’s Sevens Cup». Fihaonana hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 21 sy ny 22 jona ho avy izao.

Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 6 aogositra izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Hizara roa miavaka tsara izany ka ny 6 hatramin’ny 10 aogositra ny Junior sy ny Vétérans ary ny 11 ka hatramin’ny 16 aogositra ny sokajy rehetra.

Hifandona ao Allemagne, anio, i Portugal sy i Allemagne eo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny “Ligue des Nations”, taranja baolina kitra. Rahampitso kosa no hifanandrina i Espagne sy i France. Fihaonana hatao any an-toerana ihany. Izay tafavoaka eo no hiatrika ny famaranana, ny alahady 8 jona ho avy izao.

Laharana faha-39 ny FC Nisi ary faha-51 ny Ajesaia nandritra ny Mondial Pupilles Plomelin notanterahina tany France, ny 29 mey ka hatramin’ny 1 jona lasa teo. Fihaonana iraisam-pirenena natokana ho an’ ireo katitakely latsaky ny 13 taona. Nahatratra 64 ny isan’ireo ekipa nandray anjara tamin’ity.

Partager sur: