Ho mariky ny firaisankin’ny governemanta, nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny mpitandro filaminana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Natao omaly, teny Ampahibe, izany.
Nanolotra fitaovana sy kojakoja ara-panatanjahantena ho an’ny minisiteran’ny Foloalindahy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’i Moutsapha Abdulah Marson, omaly. Natao ho mariky ny firaisankina eo anivon’ny governemanta sy ho fanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena izany.
Ho fanamarihana izany, nisy ny lanonana tsotra izay natao teny Ampahibe. Tsiahivina fa hisy ny fifaninanana ho an’ny mpitandro filaminana sy ny fiarovam-pirenena, na ny “Tournoi-Forces de défense
et de sécurité”. “Raisinay ho adidy sy andraikitra ny fiaraha-misalahy amin’ny fankalazana ny faha-65 taona nahazoana ny fahaleovantena izay sady fetin’ny Foloalindahy rahateo”, hoy ny minisitra MJS, Moustapha Abdulah Marson, omaly, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny fifanohanana sy ny fiaraha-mientana tahaka izao moa ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin. “Masa-bary maito kitoza ny fahatongavan’ny fanomezana ka raisina an-tanan-droa”, hoy ny jeneraly.
F.R