Manakaiky ilay fotoana hiverenan’ny « Tapôlakaglady ». Hiova tsy toy ny taloha ny hetsika, satria ny tarika Rossy ihany no hanafana ny fotoana, araka ny nambarany, omaly.
«Rehefa natao ny fakan-kevitra tamin’ireo mpankafy marobe, Rossy ranoiray no tena be mpitady. Raha toa ka fampisehoana nandritra ny iray volana, niantsoana tarika marobe ny Tapôlakaglady taloha, ity kosa iray andro ihany ka ny hira rehetra nahafantarana ny tarika Rossy no asesintsika ao». Fanazavana nataon’i Rossy, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Ibis Ankorondrano, io. Izay vao nampahafantarina ny endriky ny «Tapôlakaglady», hotontosaina ny alatsinain’ny Pentekôty izao, ao amin’ny Coliseum Antsonjombe.
Araka izany, rehefa mety ho hiran’i Rossy na hirana mpanakanto hafa nataony ka be mpankafy, halahatra
amin’io fotoana io avokoa. «Ho fankasitrahana ireo tonga mialoha, hanao karazana fanokafana ny seho ny tarika Rossy, handaharana ireo hira malefadefaka. Amin’ny 3 ora katroka kosa vao manomboka an’ireo hira nanaovanay famerenana, miaraka amin’ireo teknisianina mpikirakira ny jiro», hoy hatrany i Rossy.
Tsy hisy mpanakanto hafa, saingy ho avy hanatevin-daharana ny tarika ao avokoa ireo «zanany». «Marobe ireo zanako efa tato amin’ny tarika, efa mahaleo tena. Nilaza ho avy hifanotrona amin’ity Tapôlakaglady ity avokoa izy ireo, hamerina indray ny fiarahana taloha», hoy hatrany ity mpanakanto ity. Naverimberiny kosa fa anisan’ny maha «glady» ny hetsika ny lafiny teknika. Fanehoana ihany koa fa efa manana ny fitaovana raitra sy manaraka ny toetrandro ny eto Madagasikara, ka tsy mena-mitaha amin’izay misy any ivelany intsony. Trano mpamokatra fampisehoana telo be izao, izay anisan’ny manana fitaovana raitra ihany koa no indray mifarimbona amin’ny tarika Rossy, hanatontosa ny fanamby
amin’ity. Ny Ivenco, ny Cool Concept ary ny Sary sy Feo.Mg, izay samy efa manana ny lazany. Anisan’ny nampanantenain’ny mpikarakara ny hisian’ny fiara mpitatitra hiasa alina, hiandry ny firavan’ny fety amin’io alatsinainy io.
Zo ny Aina