Mahajanga: Niavaka ny fetin’ny Aïd al-Adha

Tomefy olona teo amin’ny Village Touristique Mahajanga, omaly maraina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny sorona na Aïd al-Adha na koa Idy Be, niarahan’ireo mpino silamo rehetra any an-toerana. Ho an’ireo olona manaraka ny foto-pinoana silamo, ny Aïd al-Adha dia fety iarahan’ny mpino silamo maneran-tany ho fahatsiarovana ny nanaovan’i Abraham sorona an-janany noho ny fitiavany an’Andriamanitra araka ny voalazan’ny Korano Masina. Maro ireo tomponandraiki-panjakana nanatrika izany fotoam-bavaka lehibe izany ka anisan’izany ny Governo­ran’ny faritra Boeny, Mouktar Salim. Nanatrika izany koa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah. Teo koa ireo teratany kaomorianina miasa sy monina eto amintsika. Raha ny zava-nisy tany an-toerana, nisy ny fanaovana sorona tamin’ny alalan’ny nofon-kena mitam-pihavanana (famonoana omby, ondry ary osy). Nifampizarana tamin’ireo olona manodidina rahateo izany, araka ny toe-tsaina nahafantarana ny mpino silamo dia ny fitsinjovana ny mpiara-belona. Marihina fa samy nankalaza ity fety lehibe ity avokoa ny isaky ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara. Rehefa tonga ny fo­toan-dehibe toy izao, misy hatrany ny fifamelana sy ny fitsinjovana manokana ireo olona sahirana.

Jean Claude

Partager sur: