Tetikasa fihariana: Mitety faritra mampahafantatra ny fandraharahana

Napetraky ny fanjakana ha­nohanana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fiha­ri­ana. Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 87 000 ny na­hazo tohana taminy, manerana ny faritra 23, nahazo fa­ma­tsiam-bola mitentina 199 miliara Ar. Disitrika 4 (Samba­va, Antalaha, Andapa, Vohe­mar) any Sava, no nandehanan’ny ekipan’ny Fihariana ny 20-24 mey teo. Nohainoina ny filan’ny mpandraharaha, nampahafantarina ny tolotry ny Fiha­riana iarahany amin’ny banky BNI sy ny BOA ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Nisy koa ny fihaonana tamin’ny tanora. Ankoatra izany, miisa 71 ny mpandraharaha nanolotra antontan-taratasy tany Ambo­sitra, faritra Amoron’i Mania. Nomena fiofanana ma­hakasika ny toe-tsaina fandraharahana, ny fanabeazana ara-bola, indrindra ny fandrafetana drafitra ara-toekarena ma­homby. Maherin’ny 200 ny no­mena mari-piofanana mom­ba ny e-Vohary tany Fandri­ana. Efa nisy ny fitetezam-paritra na­­taon’ny Fihariana tany Boeny, Atsinanana, Ana­la­man­­ga, Alaotra Mangoro, Va­kinankaratra, Atsimo Atsi­na­nana, Itasy, Bongolava, sns. Maherin’ny 4 000 ireo nahazo fiofanana.

Njaka A.

Partager sur: