Misehatra amin’ny fikarohana masomboly ny Fofifa nandritra ny 50 taona. Tanjona manaraka napetrany ny hamorona masomboly vary miisa 4 mahatanty haintany.
Fotoan-dehibe ho an’ny Foibe fikarohana momba ny fambolena (Fofifa), omaly. Notokanana ny tsangambato faha-50 taona sy ny efitrano malalaka “Amphi Théâtre” eny Ampandrianomby. Lohahevitra amin’ity jobily volamena ity ny : « Fijerena ny voka-pikarohana ara-pambolena omaly, ankehitriny ary hoavy, mba ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ». Nitarika ny fotoana ny minisitra mpiahy roa tonta, ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), ny Pr. Chaminah Loulla, sy ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio. Nambaran’ny minisitra Chaminah Loulla, fa « vao tsy ela akory no namoaka voka-pikarohana ny Fofifa, ny karazam-bary mahazaka haintany telo, ny Fofifa 194, ny Fofifa 195 ary ny Fofifa 196. Matetika isika mieritreritra fa ambolena fotsiny ny masomboly, kanefa matoa tsara ny vokatra dia noho ny fikarohana. Mikaroka sy mamokatra masomboly nohatsaraina ny Fofifa. Raha mamokatra 1 t/ha ny mahazatra, mahatafavoaka 3t/ha ny fampiasana masomboly nohatsaraina ».
Notsipihin’ny minisitra Hajarison François Sergio koa, fa « fanambin’ny minisiteran’ny Fambolena, miaraka amin’ny Fofifa, ny hikarohana karazam-bary miisa 4 sahaza ny toe-tany amin’ny faritra 23 eto Madagasikara ».
Tranoheva sy atrikasa
Aranty mandritra ny telo andro, eny amin’ny Amphi Ampandrianomby nohavaozina, ireo karazana masomboly hitan’ny Fofifa. Misy koa ny atrikasa hamelabelarana ny voka-pikarohana nanomboka ny taona 1975, niorenany mandraka ankehitriny. Marihina fa tsy ny vary ihany no hanaovany fikarohana, fa eo koa ny vokatra fambolena samihafa, mandady, na mamoa, na ambanin’ny tany, sns. Mandray anjara amin’ny tranoheva ireo mpiara-miombon’antoka samihafa eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Njaka Andriantefiarinesy