Ralambomahay Toavina : “Politika ihany no ahazoana manova ny firenena”

Mihamahazo vahana ny hoe tsy miankina na mahaleo tena eo amin’ny tontolo politika amin’izao. Aiza ny mpanao politika? Na ny fanaovana politika… Maneho ny fijeriny ny mpitahiry volan’ny antoko Humaniste et écologiste sady filoha lefitry ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ralambomahay Toavina”. Dini­dinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanaovana politika amin’izao?

Ralambomahay Toavina (-): Tsy manam-piniavana na kamo hanao politika ny olona. Be dia be ny hoe fipoahana. Eo ny mandoro kodiarana amin’ny alina, ny tezitra amin’ny “Base Toliara”, ny sendikà leo fa sazian’ny fitsarana… Tezitra ny olona. Maro ny mitabataba, nefa tsy mahavita mitambatra. Raha vao mitambatra dia manao politika. Ny dikan’ny hoe politika nampianarin’ny fiarahamonina sivily sy ny be diplaoma: ratsy ny politika, maloto ny politika. Aza manao politika! Raha vao manao politika: potika ny fiainana, ny fianakaviana, ny asa… Izay no tena olana. Fa­rany, tsy misy manao politika intsony.

* Ny mahatonga an’izay?
– Tarazon’ny fanjanahantany… Ry zareo fotsy mpajanaka no nilaza hoe tsy mahazo manao politika ny mainty, fa ry zareo ihany no mitantana sy manapa-kevitra. Tokony ho teknisianina miasa ho an’ny mpanjanaka ny mainty. Na mpanjanaka frantsay io, na anglisy, na portioge, na espaniola: mitovy avokoa maneran-tany. Tsy tiany hi­tantana ny fiainany ny mainty. Mam­palahelo fa ny fiarahamonina sivily sy be diplaoma aza mbola manao an’izany: teknisianina fotsiny ihany, manaraka ny baikon’ny mpanao politika izay faran’ny tsy tiany. Izay no olana: tsy afa-mivondrona izay tezitra.

* Tsy ny ataon’ny mpanao politika ihany ve no mahatonga an’izay?

– Misy an’izay koa… Tsy mifantoka amin’ny politika ho asa na matihanina amin’ny fanaovana politika ny mpanao politika fa mpanao afera, mpivavaka, mpanao soa… Am­in’ny fifidianana ihany vao hita. Rehefa vita ny fifidianana, tsy hita intsony na mandresy na resy. Misy, ohatra, olom-boafidy: tsy re feo na indray mandeha aza. Ny resy, miandry dimy taona indray. Tsy misy matihanina amin’ny fanaovana politika intsony. Na mikarakara intsony ny rivotra maloto, ny jiro tapaka… Samy miaina sy manavo-tena ny Malagasy amin’izao.
* Ny fahitanao ny antoko politika?

– Tsy misy olona intsony ao anatiny. Tsy misy ideolojia, vinam-piarahamonina, fandaharanasa… Nanomboka tamin’ny 1991, tsy misy na mpikambana amin’ny antoko aza. Foana ny kaonty amin’ny banky; indraindray aza, tsy manana izany akory. Tsy misy olona mivory intsony. Rehefa fifidianana ihany vao samy mipoipoitra eny. Tsy misy mieritreritra momba ny firenena na ny tanàna isan’andro, fa ny ady amin’ny fiainana no andaniana andro. Tsy ho tapitra izay, raha izany.

* Tsy izay ve no mampahazo vahana ny tsy miankina na mahaleo tena?

– Tsy fitiavana politika fo­tsiny… Izay koa no ilazana fa miparitaka i Madagasikara: tsy misy intsony lalan-tsaina iray na roa na telo. Samy maka izay hohaniny any amin’ny tanàna any, samy manana izay vinam-piarahamoniny any… Tsy misy fivondronana intsony, fa samy mieritreritra ho mafy be any amin’izay misy azy. Tsy mila antoko politika izany fa mahaleo tena, mahavita tena. Kely nefa ho tafita ho azy eo. Ny olana ngezabe koa: mieritreritra ny olona amin’izao hoe mety ho tafita na tsy ao anaty rafitra aza. Rehefa manam-bola be, tafita ho azy. Diso be izay. Na manam-bola be aza ka marary, mila hopitaly; mila sekoly raha hianatra; raha tsy misy rano na tapaka jiro, tsy maintsy mitady… Diso be ny hoe tafita foana rehefa manam-bola be. Raha mbola izay no eritreretin’ny olona, tsy misy jiro sy rano hatrany eto. Tsy misy lalana koa eto: tsy ny lalana no amboarin’ny tena
fa fiara 4 x 4 no vidina. Izay hatrany no olana. Mieritreritra ny olona fa izy irery dia mahavita tena. Amin’ny ankapo­beny, mitotongana i Madaga­sikara. Antoko politika ihany ny vahaolana, izay manandratra olona amin’ny anto­kony.

* Inona no hanarenana an’izay rehetra izay?

– Tsy misy afa-tsy amin’ny politika ihany… Tsy inona ny politika fa hoe: inona no hatao amin’ny jiro tapaka, ny rano tsy mandeha, ny vola vahiny tsy voavidy, ny lalana tsy misy… ? Inona ny vahaolana? Tsy hoe miandry fifidianana vao misehoseho manerana ny tanàna dia mividy olona. Olona no mila miditra antoko politika, manome fotoana: inona no hatao fa tsy miandry fotsiny toy izao? Politika ihany no ahazoana manova ny firenena, fa tsy fivavahana na fanaovana afera na asa so­sialy… Na omena vola isan’ andro aza, ohatra, ny mahantra, tsy ho tafavoaka na kely aza. Na hanao afera aza, ka tsy mandeha amin’ny laoniny ny lalana: midofotra foana. Tsy miova io raha tsy manao politika.

* Inona ny tokony hataon’ny antoko politika amin’izany?

– Mila olona manao politika… Tsy misy antoko politika rehefa tsy misy olona manao politika. Ny olona hanao poli­tika no tsy misy amin’izao. Olona tsy hita raha tsy fifidianana no manangana antoko politika eto. Olona tsy fantapantatra na malazalaza foana no manao politika: na mpihira, na mpanao afera, na mpanam-bola… Fa tsy olona na­molavola tena sy niomana hitondra. Ny tena mpanao politika tsy tian’ny olona.

Nangonin’i R. Nd.

Hoy izy ireo:

“Maharikoriko ny politika satria ny olona manao azy no mahatonga azy haharikoriko.” Michel Rocard
“Mitovy ihany ny mpanao politika eny rehetra eny. Mampanantena hanao tetezana izy ireo, na tsy misy renirano aza.” Nikita Khrushchev
“Ny tsy fitovian’ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana dia izao: ny voalohany mieritreritra ny fifidianana ho avy, ny faharoa ny amin’ny taranaka manaraka.” James Freeman Clarke
“Tsy afaka manao asa tsy misy fitadidiana ny mpanao politika, satria mila mitadidy ny fampanantenana rehetra tsy maintsy hadinoiny izy.” Frédéric Dard
“Ny mpanao politika mahomby indrindra dia izay miteny matetika sy mafy indrindra izay eritreretin’ny besinimaro.” Theodore Roosevelt
“Tsy mitady ny hahazo ny fitokisan’ny vahoaka intsony ny mpanao politika. Ny tombontsoany manokana ihany no tadiaviny.” Andrée Asmar

Partager sur: