Mitohy tsy tapaka ireo hetsika ho fampiroboroboana ny bagasy tanterahin’ny Sehatra Bagasy (SBG). Taorian’ny gitara sy valiha. Hiroso amin’ny anjarany indray ny fomba fitendrena piano bagasy. Tendry piano bagasy, hotanterahina ao amin’ny Espace Aro Antsahavola, rahampitso 14 jona, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hitondra ny velakevitra, hamaly ny fanontanian’ny mpanatrika sady hizara ny traikefany rahateo i Mbosa Rabenasolo sy i Olivier Ramorasata ary i Dolly Rakotozafy.
Mbosa Rabenasolo, anisan’ireo nanangana ny Ataum sy ny tarika Solika ary nanorina ny tarika R’imbosa. Olivier Ramorasata, mpampianatra mpikaroka, nanoratra ny boky Tiona BaGasy. Dolly Rakotozafy, fantatra eo amin’ny tontolon’ny fitendrena piano bagasy (Kintana fahiny). Amin’ny ankapobeny, tsy hiova ny fandaharam-potoana. Velakevitra, fiarahana mitendry, famaliana fanontaniana na ny fandraisan’anjaran’ireo mpanatrika.
Raha tsiahivina, anisan’ny mampiavaka ny hetsika karakarain’ny Sehatra Bagasy ny fanomezana ampaham-potoana lehibe ho an’ny fifanakalozana. Vina ho an’ity sehatra ity ny iainan’ny Malagasy ny kolontsaina sy ny hira ba gasy. Ny ba gasy no iray amin’ireo mampiavaka ny hira malagasy amin’ny hira hafa faheno maneran-tany. Anisan’izany ny fananana paika «5 + 7 /12» na ny «7 + 5 /12», raha ho an’ny hira avy eto afovoan-tany.
HaRy Razafindrakoto