Mahatonga tsy fahafahan’ny ankizy fanadinana bakalorea ny tsy fanatrehana ny adina ara-panatanjahantena. Mahatratra 25 ireo tsy tonga niatrika izany ho an’ny tetsy amin’ny ANS Ampefiloha.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ny mpanala fanadinana bakalorea amin’izao fotoana izao. 8 900 eo ho eo ireo mpianatra miatrika izany ho an’ny etsy amin’ny Kianjan’ny ANS Ampefiloha. Tsy nahazaka ny adina ny roa tamin’izy ireo ka safotra ary nentina teny amin’ny hopitaly HJRA. Manodidina ny 25 ireo ankizy tsy tonga nanatrika izany teny an-toerana, hatramin’ny omaly tolakandro, raha ny tatitra voaray. “Ny tsy fahampian’ny fanomanana avy amin’ ny mpiadina no antony mahatonga ireo fahatoranana ireo”, hoy ny lehiben’ny foibem-panadinana etsy amin’ny ANS Ampefiloha, sady tale lefitra ao amin’ny Lycée Faravohitra, Rakotondrabe Christina Rovasoa. Teo ihany koa ny olana ara-batana sy ny tsy fahavononana dieny any am-piandohana, raha ny nambarany. “Miseho ny loza rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny fanadinana satria lasa manao ezaka tsy vitan’ny vatany ireo mpiadina”, hoy ihany izy.
Nizotra antsakany sy andavany
Nilamina ihany amin’ny ankapobeny ny fandrindrana ny fanadinana na dia nisy aza ny indrokely, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Olana nosedrain’ireo mpiadina ny fanadinoana ny taratasy fanamarinana ny maha izy azy ny tenany. “Somary nanahirana ny nanala ireo ray aman-dreny tao amin’ny faritra nanatanterahana ny adina”, hoy ny talen’ny foibem-panadinana ao amin’ny ANS Ampefiloha, Nomenjanahary Yvan Rosa. Nambaran’izy ireo fa nandray fanapahan-kevitra, araka izany, ny tomponandraikitra ary nezahina nalamina sy nofefena ny toerana azo ijeren’izy ireo ny mpiadina.
Hotanterahina ny 25 aogositra izao ny adina an-tsoratra amin’ity taranja ity. Voakasik’ izany ireo efa voamarina hatrany am-boalohany fa tsy afaka miatrika mivantana (Inapte). Misy koa ireo tsy afaka niatrika noho ny aretina tampoka nahazo. Hatramin’izao, miisa valo ireo mpiadina nanoratra anarana hivadika an-tsoratra. Marihina fa ny 10 hatramin’ ny 20 jona izao ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana bakalorea 2025.
Ninah
(mpianatra asa)