Fanadinana CEPE: Hozaraina anio ny taratasy fiantsoana

Mizara ny taratasy fiantsoana amin’ny fanadinana CEPE ho an’ny mpiadina ny talen-tsekoly eto Antananari­vo, anio. Ma­metraka ihany koa ny toromarika farany mialoha ny fiatrehana ny fanadinana ny talata ho avy izao. Nifarana anio koa ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny sekoly sasany. Satria, handray mpiadina amin’ny CEPE sy ny BEPC ny efitranon-tsekoly ka tsy maintsy misy ny fanomanana samihafa.
Nisy ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny mpanala fanadinana CEPE ho an’ny EPP iray eto Antanana­ri­vo Renivohitra, omaly. Ton­ga maro nanotrona ny ray aman-dreny satria nanomana fety ny mpianatra, izay ao anatin’ny fanamarihana ny Iray volan’ny ankizy rahateo. Taorian’ny fam­pisehoan’ny mpianatra ny talenta, nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo tany an-dakilasy ny tontolo andro. Naha­vita fanadinana CEPE andrana dimy ny mpiadina amin’ny kilasy 7ème ho an’ity EPP ity ka heverina fa vonona hiatrika fanadinana izy ireo, hoy ny talen-sekoly. Na­renina avokoa ny taranja mbola marefo ho an’ny roa volana fahadimy farany ka manantena vokatra mamiratra ny talen-tsekoly sy ny mpanabe.
Afaka mijery ny efitranon-tsekoly hiadinana ny ray aman-dreny sy ny mpiadina manomboka ny faran’ny herinandro izao. Efa mipetraka eo amin’ny varavarana rahateo ny lisitry ny mpiadina rehetra. Ny talata no hotanterahina manerana ny Nosy ny fanadinana CEPE.

Vonjy

Partager sur: