VAOVAO TAMBATRA

Angatahin’ny depiote ny hanarenana haingana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala. Anisan’ny lahatenin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izany, satria efa ela no niandrasan’ny mponina an’iny lalana iny. Maro koa ny depiote mitaraina amin’ny delestazy sy ny haratsian-dalana, ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa.
Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe Voie rapide, mampitohy ny seranan-tsambon’i Toa­masina sy ny lalam-pirenena faha-2. Arahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy maso akaiky ny kalitao sy ny fivoaran’ny asa. Hamaha ny olan’ny fitohanan’ny fiara vaventy eny amin’ny Boulevard Ivondro ity arabe ity, hanamora ny fivezivezena ao amin’ny seranan-tsambo.
Nandray ny loka « Flagship Award » tany Nice Frantsa, ny minisitra Andonirina Max Fontaine. Fankasitrahana iraisam-pirenena amin’ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, ny faritra avaratry ny Lakandranon’i Mozambika, anatin’ny tetikasa Nocamo, famatsiam-bolan’ny Tahirimbola fran­tsay ho an’ny tontolo iainana (FFEM).
Miisa 5 ny asa hatao momba ny fari-panjonoana any Melaky sy Boeny. Ao anatin’izany ny fambolena honko, ny fanohanana ny mpanjono, ny fananganana Fari-dranomasina arovana AMP, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanjono eny ifotony. Hisy ny fampitaovana azy ireo avy amin’ny orinasa lehibe manjono makamba.

Partager sur: