Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo ny gazety boky Le Radar tontosain’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCFIM). «Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra ny zava-misy marina ara-toekarena», hoy ny tale lefitry ny CCIFM, Razafindrabe Alain. Hita ao anatin’ity gazety boky mivoaka isaky ny telo volana ity avokoa ireo lalam-pihariana samihafa. Hisokatra sy hanakaiky bebe kokoa amin’ireo mpandraharaha izy. Hanohana ihany koa ireo mpanapa-kevitra ara-toekarena amin’ireo famakafakana ataony ny Le Radar. Noho izany, fitaovam-panaraha-maso stratejika sy mijery ireo fanamby ara-toekarena ity gazety boky ity. Hasongadina manokana ny fivoaran’ny toekarena eto an-toerana, aty amin’ny ranomasimbe Indianina ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra izay, hisitraka ny endrika boky niomerika avokoa ireo firenena miisa 86 mpikamban’ny CCI. Hanampy ny mpianatra manaraka ny lalam-piofanana momba ny varotra izy io, amin’ny alalan’ireo fahalalana zarainy. Hita ao anatin’izany ny anjara andraikitry ny CCIFM. «Hampahafantatra ireo soa fanararaotra eto Madagasikara ny Le Radar. Noho izany, hangatahana ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Frantsa», hoy ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Arnaud Guillois.
Henintsoa