Krizin’ny adolantsento: Mila fanabeazana am-pahendrena sy am-pitiavana nefa manaja fitsipika

Tena sarotra ny fitaizana tanora amin’izao fotoana. Maro ireo ray aman-dreny velon-taraina fa tsy mahafehy ny zanany na valivalian’ny zanany ao anatin’ny taonan’ny fahatanorana. Mitondra fanazavana sy toromarika Rakotonjafiniarivo Zo, matihanina amin’ny fanabeazana ny adolantsento sy ny fanohanana ny vehivavy donam-pahoriana.

Maro ny antony mahatonga ny tanora ho be famaliana. Raha ankizy voafehy loatra dia tsy mahafantatra intsony ny tokony hataony. Tsy omen’ny ray aman-dreny safidy na amin’ny akanjo anaovany, na dia efa 14 taona aza. Lasa mamaly, mitroatra satria tsy afaka maneho hevitra… Eo koa ny fampihantana ny ankizy tafahoatra ka tsy mahafantatra intsony izy hoe mety hisy zavatra tsy voatery ho azony indray andro. Famalivaliana no hasetriny izany. Efa nozarina nomena izay tiany ary tsy mahalala tsy misy ka tonga be famaliana rehefa tsy mahazo izay tadiaviny.
Ankoatra ireo, mety mahita modely ankizy be famaliana ihany koa izy eo amin’ny fiarahamonina, any an-tsekoly, na amin’ ny tambajotra sosialy. Heveriny fa izay no fanao sy tena fiainana. Na ny fifamaliana eo amin’ny mpivady ihany aza dia mety hiampita amin’ilay ankizy ho lasa be famaliana.

Mila apetraka ny fitsipika iombonana
Vahaolana ny fametrahana fitsipika mazava sy voafaritra tsara (ora, toerana, fitaovana…), mahitsy ary ifanarahan’ny ao an-tokantrano hisian’ny fifampifehezana eo amin’ny ankohonana. Atao petadrindrina mihitsy izany fitsipika izany ary harafitra miaraka. Atao talaky maso ho hitan’ny rehetra ary hipetraka ao am-parahatoky ny tsirairay. Azo ampiharina izany ohatra amin’ ny ora tokony hodiana, ny fepetra ifanarahana amin’ny fampiasana finday, ny ora fijerena fahitalavitra…
Samy mahafantatra ny tokony hatao manomboka eo amin’ ny fametrahana ny fitsipika ka tokony hahatsapa-tena amin’izay. Iarahana rafetina ihany koa ny sazy rehefa misy ny tsy mana­raka izany fitsipika izany.
Apetraka tsikelikely ny fitsipika ary zarina hampihatra izany ny ankohonana. 21 andro ny fanatanterahana ny fitsipika iray dia izay vao mampiditra ny fitsipika hafa manaraka.
Tokony hampiharin’ny rehetra ny fitsipika na ny ray aman-dreny na ny zanaka toy ny fampiasana finday izany.
Ny finday no anisan’ny fototra mampisy elanelana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’izao fotoana ary miteraka fifamaliana ka ilana fehezina.
Mila hazavaina amin’ireo ankizy ao an-trano ny antony ilana ny fanajana ny fitsipika hahafantarany tsara ny vokatsoa amin’ny fampiharana izany
Dieny mbola kely ireo an­kizy dia efa zarina beazina anaty fitsipika fifampifehezana ao an-tokantrano ary mora ny manohy izany rehefa miha lehibe izy ireo.

Mila mahay manavaka ny fanehoan-kevitra sy famingavingana
Mila mahay manavaka ny faniratsirana sy ny fanehoan-kevitra ataon’ny ankizy ny ray aman-dreny. Rehefa misy ny faniratsirana dia tokony ho vahana eo no ho eo. Tenenina avy hatrany ny famingavingana nataony ary ampitoniana izy. Atao fantany fa tsy mety ny faniratsirana, na fampiakaram-peo amin’ny ray aman-dreny. Ahitsy amin’ny hatezerany izy ary hampitoniana aloha ilay ankizy. Vita izay vao manitsy ilay tsy fetezana mila harenina amin’ny feo milamina kanefa hentitra.
Tokony hifantoka tsara ary mijery tsara azy amin’ny masony. Tokony ho fantany fa mihaino tsara azy ny ray aman-dreny na ao anaty tabataba aza ny fanehoan-keviny. Avela haneho ny fihetseham-pony hatramin’ny farany izy fa tsy tapahana. Mitony izy rehefa tapitra izay tiany lazaina. Mila takarina ny fomba fijeriny na dia tsy mitovy aza ny fomba fijerin’ny ray aman-dreny sy ny ankizy. Ezahina fantarina ny tiany hotenenina. Avereno amin’ny fomba hafa izay zavatra lazainy hahatsapany fa tena azonao ilay resany sy ny hevitra tiany hampitaina. Aseho amin’ilay ankizy fa tsapanao ny fihetseham-pony (tezitra na malahelo na faly…).
Rehefa tena mihoatra tanteraka amin’ny fahefan’ny sain’ny ray aman-dreny ny fitaizana dia manatona ireo manampahaizana manokana. Indraindray tena simba tanteraka ny fifandraisana ao an-trano noho ny rotorotom-piainana dia mila fanampiana amin’ny olona ivelan’ny ankohonana handamina sy handrindra ary hitsabo izany fifandraisana izany.

 

Partager sur: