Anisan’ny naverimberin’ny solombavambahoaka ny hanapariahana ny fambolena vary safiotra manerana ny Nosy. Eo koa ny fambolena vaventy, ny tetikasa Agropole.
Maro ny solombavambahoaka nankasitraka ny ezaky ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), toa an-dRakotomalala Miarintsoa, depiote voafidy tao Ambatolampy, nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, ny 12 sy 13 jona teo. Ho an-dRanarivelo Lucien, voafidy tany Tsiroanomandidy, izay efa minisitry ny Fambolena teo aloha, « tokony hananganana ny tetikasa Agropole ny faritra Bongolava, satria hanome ainga vao ny tontolo ambanivohitra hampivoatra ny famokarana ». Nisaotra ny Sesa, anisan’ny nisafidy an’i Vakinankaratra ity tetikasa ity, ny depiote Antsirabe I, Razafimaro Désiré. Nankasitrahin-dRatsivahiny Andry, voafidy tao Atsimondrano, ny minisitra Razanamahefa Tahian’Ny Avo, tamin’ny andrana fambolena vary safiotra natao tany an-toerana. Nangatahiny ny hanohizana azy amin’ny taom-pambolena manaraka, satria nahomby ity tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry ity.
Maro ny distrika mangataka ny tetikasa
Notsipihin’ny depioten’i Fenoarivo Atsinanana, fa efa miova ny fomba fambolena any an-toerana satria maro ny tantsaha mampiasa ny masomboly vary safiotra, manamarina ny fandrosoana. Nomarihin’ny depioten’Ambatolampy, Razafimahefa Tianarivelo, fa « efa nanohana an’ Ambatolampy Razanamahefa Tahian’Ny Avo na tsy mbola minisitra aza ».
Nilaza Rafidimanana Narson, voafidy tany Antanifotsy, fa « tsy maintsy atao ara-potoana ny fambolena ny vary safiotra mba hahazoana vokatra tsara ». Nangataka fanazavana ny fizarana masomboly sy zezika ny depioten’Ambohimahasoa.
Ankoatra ireo, maro ny solombavambahoaka mangataka ny tetikasan’ny Sesa, toa an’Ankazobe, Ifanadiana, sns. Efa nisitraka azy ny any Ambatofinandrahana sy Antsirabe II, Morondava, … Nampahatsiahy ny depiote Antananarivo VI, fa manana ny lemaka Betsimitatatra izay mila harenina ny tohodrano. Toraka izany koa ny any Soalala.
Njaka Andriantefiarinesy