Nahazo ny “Intentional Award” tamin’ny Lush Spring Prize 2025 notontosaina tany Dorset, Royaume-Uni, ny fikambanana Natiora Defenders, misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka manome lanja ireo mpiantsehatra miaro ny rohivoahary eto Madagasikara. 19 ireo notolorana fankasitrahana ka iray amin’ireo ny fikambanana. Nisongadina tamin’ny asa fanohanana ireo mpanjono madinika ny fikambanana tamin’ny fandaharanasa « Ocean defenders ». Niavaka ny andiany tamin’ity taona ity izay manome vahana ny fahaizan’ny olobe tany aloha sy ny fikarohana siantifika nefa manaja ny lalàn’ny zavaboahary. Isaky ny roa taona ny hetsika fanomezana fankasitrahana Lush Spring Prize manohana ny tetikasa miainga eny ifotony mamerina ny rohivoahary, ka mampivady ny fahazai-manao mahazatra sy ny fivoarana manaraka ny toetrandro.
Niorina teto Madagasikara ny Natiora Defenders ary miasa any amin’ny toerana tena lavitra sy saro-dalana. Manohana ny hetsika ataon’ny mpisehatra eny ifotony ny fikambanana ary mikaroka lalam-bola ahazoana manatanteraka ny asan’izy ireo. Hanamafisana ny fandaharanasa Ocean defenders ny loka azo, rahany voalaza, hanaovana tantsoroka ny mpiaro ny ranomasina amin’ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina.
Vonjy