“Loharano II” : Hidina ifotony ireo tanora dispora miisa 17

Noraisina tetsy amin’ny Café de la Gare, Soarano, ny zoma lasa teo, ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo 17 (20 – 35 taona) avy amin’ny diaspora malagasy. Hetsika ao anatin’ny fandaharanasa “loharano II”, tantsoroka ho an’ny diaspora (Tady). Hampiro­boro­boana ny fandraisana anjaran’ny tanora, Malagasy sy any am-piele­zana. Hidina an-tsehatra hanao fanentanana sy hitondra ny traikefany manerana ny faritra eto amin’ny Nosy izy ireo. Hitondra anjara biriky amin’ny lafin-javatra maro, toy ny ara-pahasalamana, fanabeazana, fiarovana ny tontolo iainana sy ny maro hafa. Hisy fiantrai­kany tsara sy hitondra fiovana goavana eto Madagasikara ny fanoloran-tenan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo. “Zava-dehibe ny fisian’ny mpilatsaka an-tsitrapo mba hampiroboroboana ny maha olona sy hampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Ratsimbazafy Eric. Nambarany fa zava-dehibe ao anatin’ny fandahara­nasa ny fizarana traikefa eo amin’ny Malagasy am-piele­zana sy ny tanora eto an-toerana. « Tetezana mampitohy an’i Madagasikara sy izao tontolo izao izy ireo ka mitondra fomba fijery iraisam-pirenena sady mifandray amin’ny olona eny ifotony”, hoy Roger Charles Evina, chef de mission de l’OIM Madagascar sy Como­res. “Fotoana hampitomboana ny fahaiza-manao hidirana amin’ny sehatry ny asa, hanamafy ny fifandraisana sy fi­fampitokisana eo amin’ny mpiara-miombon’antoka ny filatsahana an-tsitrapo iraisam-pirenena », hoy kosa ny masoivohon’i Frantsa miasa eto Madagasikara. Maharitra efa-bolana ny faharetan’ny dian’izy ireo eto amin’ny Nosy.

Mino

Partager sur: