Tatitry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina. Ilaina ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo solombavambahoaka, ho amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona marefo isan-tsokajiny, ny fanohanana ireo fikambanam-behivavy manana tetikasa mitondra amin’ny fampizakan-tena, ny fandraketana ireo tokantrano marefo ao anatin’ny rejisitra sosialy tokana.
Nisitraka fampiofanana ny mpiasa ao amin’ny Mesupres. Notanterahin’ny MEF tao Fiadanana ny momba ny Augure. Sehatra niomerika natao hanaraha-maso, hanavaozana ary hanatsarana ny fitantanana antontan-taratasy eo anivon’ny minisitera, amin’ny fomba malalaka sy mangarahara.
Fisokafan’ ny sambo«Tsipiranosoa». Notanterahina tao amin’ny ivontoeram-panofanana mpandrafitra an-dranomasina Mahajanga ny lanonana. Nisy ny fankasitrahana sy tsodrano avy amin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.
«Festival caméléon 2025».Hotontosaina hatramin’ny rahampitso, ao Amboasary Atsimo, ny hetsika hanamafisana ny fampiroboroboana ny tombana ara-tontolo iainana sy ny fiarovana ireo biby tsy manam-paharoa eto Madagasikara sy ny toeram-ponenany. Hisy ny famelabelarana, fifaninanana ara-panatanjahantena ary hetsika ara-kolotsaina ahitana mpandray anjara maro.