Banky iraisam-pirenena: Mahantra ny olona miaina amina 3 dolara isan’andro

Voasokajy ho mahantra ny olona mivelona amina vola 3 dolara isan’andro, ho an’ireo firenena manana fidiram-bola ambany.

Nahitam-panitsiana ny tondrom-pamaritana ny fahantrana, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Ankehitriny, lasa 4,20 dolara ny vola iainan’ ireo mponina amina firenena mahantra amin’ny antonony, raha 8,40 dolara izany ho an’ ireo firenena manana fidiram-bola ambony.
Ho an’i Madagasikara, vo­a­sokajy ho mahantra ny olona iray mivelona latsaky ny 15 000Ar isan’andro, araka ny taha eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola (Mid). Niakatra izany raha oharina ny teo aloha izay 10 750 Ar (2,15 dolara). Porofo mivaingana ny zava-misy ara-toekerana eto amin’ ny firenena. Midangana avokoa ny ankamaroan’ny vidin’ entana eny an-tsena. Ambany ny fahefa-mividin’ny isan-to­kantrano, mikorosy fahana ny fiainan’ny Malagasy sy ny fahafaha-mamokatra. Noho izany, tanjon’ity andrimpanjakana ao amin’ny Bretton Woods ity ny hampahafantarana ny zava-misy ara-toekarena amin’ izao fotoana sy hanombanana avy hatrany ny fanjifana ho an’ ny isan-tokantrano.

Mampiahiahy

Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana momba ny fahantrana nataon’ny Banky iraisam-pirenena, ny volana avrily, fa mbola miaina amin’ny 2,15 dolara isan’andro ny 80% ny Malagasy. Heverina, araka izany, fa mbola hiakatra ny taham-pahantrana eto amin’ ny firenena amin’ity fanitsiana vaovao ity.
Ankoatra izay, niakatra ny taham-pamaritana ny fahantrana ho an’ireo firenena ma­nana fidiram-bola amin’ny antonony. Lasa 4,20 dolara izany raha toa ka 3,65 dolara teo aloha. Mivelona amina 8,40 dolara ireo mponina amin’ ny firenena manana fidiram-bola ambony, raha 6,85 dolara teo aloha. Mifanandrify amin’ ny trondrom-pahantrana sy ny fari-piainana ary ny fivoaran’ ny toekarena maneran-tany ireo fanitsiana ireo, raha ny voaray. Marihina fa fomba iray handrefesana ny mponina miaina anaty fahantrana lalina ny maridrefim-pahantranan iraisam-pirenena. Fomba fiasa nampiasaina nanomboka ny taona 1990.

Henintsoa

Partager sur: