Tafakatra hatrany amin’ny 13,7 miliara euros ny famatsiam-bola nataon’ny Agence française de développement (AFD), ny taona 2024. Maherin’ny 1 250 ireo tetikasa nisitraka izany ho an’ny tombontsoan’ny mponina sahirana sy hanohanana ireo tetikasam-pampandrosoana. « 10 taona taorian’ny fankatoavana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) sy ny Accord de Paris dia faly aho milaza fa tratra ny tanjona napetraky ny AFD ao anatin’ireo tetikasa ataony », hoy ny tale jeneralin’ny vondrona AFD, Rémy Rioux. Misy, araka izany, ny paikady stratejika 2030 hanavaozana ireo politikam-pampandrosoana, hanamafisana ny famatsiam-bola maharitra, raha ny fanazavany. Ho an’i Madagasikara, mahatratra 51,5 tapitrisa euros ny famatsiam-bola nataon’ny AFD tamin’ireo tetikasa maro samihafa. Ao anatin’izany ny tetikasa « Loharano II » iarahana amin’ireo mpikamban’ny Diaspora malagasy ao anatin’ny tetikasa « Tady ». Teo koa ny tohana nataony ho an’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny karazan-javamananaina, ny fambolena, ny fahasalamana. Namatsy vola ireo tetikasam-pampandrosoana sy fanamboarana lalankely ary fotodrafitrasa maro ihany koa ny vondrona.
Henintsoa