VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina ny 20 sy 21 jona ho avy izao, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny « salon biolojika”, andiany fahefatra. Hetsika hanandratana avo ny vokatra eto an-toerana, bio, sy hanentanana ny tsirairay hanaja ny tontolo iainana. Feno ny fandaharam-potoana mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika. Hisy ny fampirantiana sy atrikasa ary fampihaonana ireo mpandraharaha sy fifanakalozana hiarahana amin’ireo manampahaizana samihafa.

Niara-nientana tamin’ny vondron’olona ifotony ho fanarenana ny tontolo amorontsiraka, hiarovana ny rohivoahary ny BNI Madagascar. Misy ny tetikasa « agnala maitso tsy ho gnagn’olo » natao tao amin’ny tanànan’i Kivalo, faritra Menabe sy Vatosoa, tao Sira­nana, faritra Diana, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa “Honko”. Mbola misy ny tetikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mponina, hanamorana ny fitantanan’izy ireo ny ala honko.

Atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny 10 ka hatramin’ny 12 jolay, ny « Foire aux fromages des Hautes Terres » andiany faharoa. Telo andro hampahafantarana ny vokatra malagasy. Hifampitaona ireo mpamokatra sy mpanjifa, hifanakalo hevitra sy hifampizara ny lalam-pihariana ho fampiroboroboana ny vokatra eto an-toerana. Marihina fa loharanon-karena hampandrosoana ny toekarena ny famokarana.

Partager sur: