Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny fahafatesana tanora maro vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny faran’ny herinandro teo. Teo ireo ray aman-dreny nandray fepetra avy hatrany tsy handefa ny zanany hiara-misakafo amina fanasana iarahana.
Ireo nanomana fety aman-danonana nampitsahatra mihitsy ny fihaonana saika hanasana ny havana aman-tsakaiza satria tena voadona ny saina mieritreritra ny fahavoazana.
Ankoatra ny safidin’ny ray aman-dreny maro hampijanona ny zanany amin’ny dia fibeazana, izay niteraka fahafatesana sy lozam-piarakodia nisesy, dia izao fanasana eo amin’ny samy tanora izao indray no nahitan-doza ka miteraka tahotra eo amin’ny ray aman-dreny.
Resabe tany anaty tambajotra sosialy sy teny amin’ny fiarahamonina ity fahafatesana vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo ity, omaly. Samy naneho ny heviny na ny tanora na ny ray aman-dreny ary maro ireo resy lahatra tsy hamonjy fihaonana na sakafo iraisana mihitsy aloha ato ho ato ho fiarovana ny aina sy hampilamina ny saina.
Tatiana A