INDRAY MIJERY

Nanome tohana ara-pitaovana, sokola, fampianarana maimaimpoana ho an’ny ankizy hanala CEPE ny mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy firaisankina Vakinankaratra. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 110 tao amin’ny EPP Ambalavato sy Tsivatrinikamo.

Nitarika ny fananganan-tsaina ho fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny mi­nisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, omaly. Nan­kasi­traka ny fandraisana anjaran’ny mpiara-miasa amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ny tenany nandritra ny lahateniny.

Natao ny « Planche d’essai » amin’ny RN2-PK 310+600 hijerena ny kalitaon’ny fitaovana (tara, vato, fanosotra, sns), ny teknika fanamboarana ary ny faharetan’ny lalana rehefa ampiasaina. Anjaran’ny orinasa mpanatanteraka no manarina izany raha tsy mahafeno fepetra ilay andrana mba tsy hisian’ny fandaniana fanampiny ho an’ny fanjakana.

Mifankafantatra avokoa manomboka izao ireo mpisehatra ara-tsosialy ao anatin’ny faritra Fitovinany (GTPS). Ho azo tsapain-tanana ny fanaraha-maso ny asa vitan’ny tsirairay amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana sy ho tombontsoan’ny mponinaany an-toerana.

Partager sur: