Tetikasa « Za Mahasaky »: Omena sehatra haneho hevitra ny tanora

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fifaninanana handraisan’ny tanora anjara amin’ny adisisika amin’ny lohahevitra «fifidianana ny fitoviana momba ny zon’ny olom-pirenena».
Famokarana horonantsary hanehoan’izy ireo hevitra sy handraisany fanapahan-kevitra amin’ny hoaviny izy ity.
Amin’ny 13 jolay izao vao mifarana ny fandraisana anjara ary hivoaka ao amin’ny pejy facebook an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny an’ny UNFPA ireo sanganasan’ny mpandray anjara.
Akoatra ny fitsaran’ireo mpanaraka, misy koa ny mpitsara manokana hanombana ny horonantsary ary hijery ny fiantraikan’ny vokatra amin’ireo mpijery sy mpandray ny hafatra. Nanazava ny tale jeneralin’ny tanora, Arlette Raharijaona, fa natao hanomezana sehatra sy lanjan’ny feon’ny tanora mahakasika ny sehatra tokony handraisana fanapahan-kevitra momba ny hoaviny ny tetikasa «Za Mahasaky».
Tanora 15 hatramin’ny 35 taona no afaka mandray anjara. Horonantsary, tononkira, tononkalo, slam, na mim no hifaninanana amin’izany.

Tatiana A

Partager sur: