Mitohy hatrany ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fitantanana ny ladoany. Anisan’izany ny fitantanana sy ny andraikitra omena ny mpiasa.
Nampahafantarina, omaly, ny tetikasa « Projet 29 », mahakasika ny fitantanana ny mpiasa mifototra amin’ny fahaiza-manaony ao amin’ny fitantanana foibe ny habantseranana (DGD). Tafiditra ao anatin’ny drafitrasa stratejika 2024-2029 ny fametrahana ny Rafi-pitantanana ny antontam-baovao ny fitantanana ny mpiasa, nomena ny anarana hoe Informatika Kolo Olombelona, « Ikolo ». Nanohana ny famolavolana azy ny fadintseranana koreanina tatsimo, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Voarakitra anaty bokibe 700 pejy sady nampiasana ny teknolojia niomerika, ahitana ny andraikitra sy ny asan’ny mpiasan’ny ladoany, miisa 174. Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny habantseranana, Zafivanona Lainkana Ernest, fa « tanjona ny hisian’ny fitantanana ny mpiasa amin’ny fomba mangarahara, tsy mitanila, mampazoto ary mahomby, mifanandrify amin’ny laharam-pahamehan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Fahombiazana lehibe ny fananana mpiasa manana ny fahaiza-manao tsara ofana ».
Nanohana ny lafiny teknika ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny ladoany (OMD). Hita ao ny fitsinjarana sy ny fanasokajiana ny mpiasa. Misy sokajin’asa 4, andraikitra 18, ary toerana 144. Voalaza ao ny andraikitra sy ny asan’ny ny tsirairay. Ny fisokajiana ny fahaizan’ny tsirairay, ahitana toerana 174. Ary koa ny voambolana manazava ny isan-tsokajiny avy.
Tsy ampy ny isan’ny mpiasa
Nomarihin’ny tale jeneraly koa fa ahafahana mitantana sy mandrindra ny fanendrena na ny famindran-toerana sy ny fisondrotana sokajy ihany koa ity fitaovana ity. Tsy ampy ny isan’ny mpiasan’ny ladoany, 1 200, raha oharina amin’ny isan’ny andraikitra 174, sahanin’izy ireo any amin’ny masoivoho misa 22 manerana ny Nosy.
Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiasan’ny ladoany nahavita vokatra tsara tamin’ny fanatrarana ireo harena voajanahary saika naondrana antsokosoko tany ivelany.
Njaka Andriantefiarinesy




