VAOVAO TAMBATRA

Harenina ny Lakadranon’i Pangalana, haverina ny fifamoivoizana an-dranomamy, hampiroboroboana ny fizahantany. Haverina ny fifamoivoizana ana habakabaka isam-paritra mampifandray ny toerana misy fizahantany. Tohizana ny fametrahana ny Ofisim-paritry ny fizahantany. Anisan’ny paikady apetraky ny minisiteran’ny Fiza­han­tany sy ny asa tanana ireo.
Mamotika ny fihariana sy ireo mivelona amin’ny fanaovana sakafo ny zava-niseho teny Ambohimalaza farany teo. Ao ireo miahiahy sahady amin’ny fidiram-bolany, ao kosa ireo mitondra fanazavana mahakasika ny asa ataony. Na izany, mampanahy ny daholobe ny fisakafoana ivelan’ny tokantrano.
Mitombo ny fitohanana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina amin’izao ankatoky ny fety izao. Mifanitsa-kitro ny eny an-tsena saingy mbola vitsy ireo manjifa. Maina ny tsena ho an’ireo mpivarotra, sahirana ihany koa ny fiarahamonina manoloana ny fisondrotan’ny vidin’entana, indrindra ireo entana ilaina andavanandro.
Mifototra amin’ny fanarenana ny ala honko sy ny fanatsarana ny velon-tenan’ny mpanjono any amin’ny tapany avaratry ny Nosy ny tetikasa « PCD2 Honko Ma­me­lonjafy ». Manatanteraka azy ny minisitera Medd sy ny Dredd, ny MNP, ny WCS ary ny fikambanana Famelona. Nomena fitaovana ny fikambanan’ny mpanjono any Agnorotsangana, Ambanja.

Partager sur: