Nisy ny tohana ara-tsakafo nataon’ny eo anivon’ny kaominina Ampitatafika ho an’ny mpianatra nanala ny fanadinam-panjakana CEPE, teny amin’ny CEG Ankaditany, afakomaly. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 1 542, mpandraharaha, mpampianatra ary mpitsara fanadinana. Nisitraka laoka sy vary, biscuit, yaourt ary akondro izy ireo. Mbola hisy koa ny fankasitrahana homena ireo mpianatra sy sekoly eo anivon’ity kaominina ity aorian’ny valim-panadinana. Omena 1 tapitrisa Ar avy izay mahazo ny laharana voalohany avy amin’ny tsy miankina sy ny sekolim-panjakana. Omena 800 000 Ar ny laharana faharoa. Omena 700 000 Ar avy ny sekoly nivoahan’ny mpiadina nahazo ny laharana voalohany, miankina na tsia. Tanjona ny hampirisihina ny mpianatra rehetra hifantoka tanteraka ao anatin’ny fianarana. Anisan’ny tanjona ny hahazoan’ny kaominina Ampitatafika ny laharana voalohany manerana an’i Madagasikara amin’ny fanadinana ofisialy. “Misy ihany koa ny tetikasa fananganana EPP vaovao ao Anjanatsimiova, ataon’ny mpiara-miasa avy any Irlandy Avaratra, izay efa vonona tanteraka”, hoy ny ben’ny Tanànan’Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Ahitana efitra telo miaraka amin’ ny dabilio manontolo ao anatiny izany. Mbola misy ihany koa ireo EPP telo hatao ao amin’ny fokontany Ambodizozoro sy Avaratetezana ary Soavimbahoaka.
Mino/ Ninah (Mpianatr’asa)




