Iray volan’ny ankizy : Mila tonga saina ny ray aman-dreny

Nomarihina teny Ambohi­dratrimo ny hetsika nasionaly ho an’ny Iray volan’ny ankizy, omaly.
Fotoana hampitana hafatra mivantana amin’ny ankizy, indrindra ny ray aman-dreny, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
“Ray aman-dreny mandray andraikitra, ankizy voaaro sy mizaka ny zony”. Io ny lohahevitra amin’ity. Milaza hevi-dehibe izany. Satria, raha misy ankizy tsy afaka mizaka zo ampy sy feno dia misy fahabangana ny fandraisana andraikitry ny ray aman-dreny. Hita taratra izany amin’ny herisetra izay hita fa miseholany. Zava-dehibe ny fiarovana ny ankizy mba tsy hahazo vahana izany herisetra izany. Matetika, vitan’ny fifandaminan’ny samy mpianakavy na mpiray tanàna ny herisetra mihatra amin’ny ankizy ka ny hoavin’ny ankizy no latsaka anelanelany.
Zava-doza izany satria matetika olona anatin’ny fianakaviana, dadatoa, raikely… no manao fanolanana ka tsy tokony ho vitan’ny raharaham-pihavanana velively izany.
Misy ny Centre Vonjy, iarahana amin’ny Unicef, miisa 6 manerana ny Nosy ary feno ny fandraisana eny an-toerana, izay hahafahana mandray an-tanana mahakasika ny ankizy iharan’ny herisetra. Misy koa ny polisy vavy miara-miasa azo hatonina.

Fotoana izao ho fanairana na ho an’ny ankizy na ho an’ny ray aman-dreny. Raha misy trangana herisetra dia miantsoa ny laharana 147 fa misy mandray sy mihaino ny taraina ao.

Tatiana A

Partager sur: