Mitombo hatrany ny fitadiavana famatsiam-bola hanohanana ireo faritra arovana eto Madagasikara ataon’ny FAPBM. 20 ny fiaraha-miasa, nahitana vokany nisongadina.
Mankalaza ny faha-20 taonany ny FAPBM ary nomarihina omaly, tetsy Ankorondrano izany, niaraka tamin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine.
« Ny Fondation pour les aires protégés et la biodiversité de Madagascar » (FAPBM) no mamatsy vola ireo mpitantana valanjavaboahary sy faritra arovana. Anisan’ny misitraka izany ny Madagascar National Parc, izay rantsan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy.
Betsaka ny vokatra azo tao anatin’ny 20 taona niaraha-niasa tamin’ny FAPBM. Anisan’ny namorona ny fananganana ity Tahirimbola ho an’ny tontolo iainana ity ny fanjakana malagasy, niaraka tamin’ny WWF sy ny conservation international.
Tany am-piandohan’ ny taona 2005, nitentina 12 tapitrisa dolara ny vola nenti-niasa ary efa tafakatra 155 tapitrisa dolara izany amin’izao fotoana.
Noho ny fahaiza-mitantana sy ny ezaka ataon’ny ekipa, mipetraka ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ary miakatra isan-taona ny fahafahana mamatsy vola ireo mpitantana valan-javaboahary.
Nanazava ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FAPBM, Bruno Rajaspera,
fa 75 ny faritra arovana vatsiana vola. Efa voafaritra ny toerana mahazo ny tohana satria voafetra izany. Ny harenan’ny zavaboahary ao amin’ilay toerana no tena laharam-pahamehana. Raha misy biby na zavamaniry atahorana ho ringana dia ny faritra misy azy ireny no atao vaindohan-draharaha iasana sy tohanana. Misy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpitantana ny faritra arovana amin’ny fanatanterahana izany.
Ezahina ny hitomboan’ny famatsiam-bola amin’ireo faritra arovana hafa, raha ny fanazavana hatrany.
Tatiana A




