Miantraika amin’ny rohivoahary, ahitana ny karazan-javamananaina, ny faharinganan’ny ala honko. Anisan’izany ny fambolena sy ny jono ka efa tonga saina ny mponina.
Mampahatsiahy ny olom-pirenena rehetra ny Printsy Tsiarasoa IV, Ampanjaka Sakalava, ao Sambirano Bemazava, any Ambanja. « Nahafahana niaro ny ala an-tanety sy ny ala honko ny Fady, mialoha ny niverenan’ny fahaleovantena. Nohajaina sy notandremana fatratra ny fomba amam-panao izay nampitain’ireo razantsika tamin’ny taranaka, toy ny tsy tokony hanapahana hazo… Ankehitriny, tsy voahaja intsony izany, mirongatra ny fanimbana ny ala honko any Sofia sy Diana. Saingy, soa ihany fa tsy navelan’ny orinasa Bôndy hitohy izany tamin’ny alalan’ny tetikasa Ma Hônko. Nentaninay ny mponina hifantoka amin’ny fanarenana ny ala honko. Mandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny olobe sy ny mpitarika ara-drazana toa anay any amin’ny kaominina Antranokarany. Inoako fa tsy hitohy intsony ny fanamboarana saribao avy amin’ny hazo honko », hoy izy.
Mandeha lavitra vao mahazo hazandrano
Nanamafy izany ny ben’ny Tanàna Antranokarany, distrika Ambanja, Ravaoharimanda Fanja Emilienne. Mifototra amin’ny fambolena sy ny jono ny ankamaroan’ny mponina miisa 25 000, toy ny fokontany Ankotika, Ampamakia ary Antrema. Nofanin’ny Bôndy ny mpiasan’ny kaominina hanara-maso ny hazo honko nambolena. … « Aoka isika tsirairay hahatsiaro tena ho tomponandraikitra fa toy ny mitifi-tena isika amin’ny fanimbana ny ala honko ». Ho an’i Naël, antsoina hoe Dadao, olobe sady mpanjono any Ambalakida Antsohihy, « lasa mandeha lavitra izahay vao mahazo drakaka sy hazandrano, raha akaiky izany, tany aloha, nahatonga anay niara-niasa tamin’ny Bôndy nanomboka ny septambra 2023. Arovanay ny zana-kazo honko vao avy nambolena, ankehitriny. Entaninay isan’andro ny taranaka sy ny tanora ».
Nilaza i Zafitena Claudette, mpamboly zana-kazo ao amin’ny Bôndy Sofia sy Diana, fa “nijanona tsy nanao saribao intsony ny reniny fa nifantoka tamin’ny fambolena. Nisafidy ny hiaro ny tontolo iainana ny tenany”.
Njaka Andriantefiarinesy




