Tetikasa Tafa: Tosika ho an’ny fampananasa ny tanora

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ny toekarena ny fisian’ny asa ho an’ny tanora. Antony nametrahana ny tetikasa “Tafa” hiaraha-mientan’ny andrimpanjakana sy ny orinasa ananan’ny tanora hoavy mamiratra. Hampifandray ny mpianatra, ny tanora ary ireo manana fahasembanana amin’ireo orinasa samihafa ny tetikasa hisitrahan’izy ireo asa ara-dalàna. Singanina manokana ny tanora eo anelanelan’ny 14-25 taona, ny vehivavy ary ireo olona manana fahasembanana amina faritra efatra, Ana­lamanga, Atsinanana sy Ana­lanjirofo ary Matsiatra Am­bony. « Tanjona ny hampanana asa ny tanora tsy ankanavaka ahafahany mivoatra fa indrindra manatratra ireo tanjona apetrany », hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Porofo mivaingana, hoy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantany, Moustapha Marson, ny lalana nodiavin’ireo tanora manana kilema izay efa nijoro vavolombelona nitantara ny fomba nahatrarany ny nofinofiny.
« Mamaly ny filan’ny tsenan’ny asa ny Tafa amin’ny alalan’ny fanofanana ireo tanora mba hahamatihanina azy ao anatin’ny sehatrasa sy handraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena», hoy ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Guillois. Manome tantsoroka sy torohevitra ny tanora ihany koa ny tetikasa mba hanamorany ny fidirany miasa « Tao anatin’ny herin-taona, afapo avokoa ireo orinasa mpiara-miombon’antoka nandray ireo tanora manana fahasembanana », hoy ny solontenan’ny ONG Humanité & Inclusion (HI) Andriamorasata Anja. Ankehitriny, miisa 300 ireo tanora efa nisitraka ny tetikasa, kendrena ny hahatrarana hatrany amin’ny 1000 isa ireo mpisitraka. Miara-misalahy ao anatin’ny tetikasa ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izay tohanan’ny Service de coopération et d’action culturelle (SCAC), ny masoivohon’i Frantsa. Manatanteraka izany ny Afrique Australe et Océan Indien (AUF-AAOI) sy ny ONG Humanité & Inclusion.

Henintsoa

Partager sur: