Nampahafantatra tolotra vaovao efatra ho fanatsarana ny fiahiana sosialy ho an’ny orinasa sy ny mpiasa mandray karama ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny fiahiana sosialy (Cnaps), omaly, teny Alarobia.
«Feno 70 taona ny Cnaps. Hanamafisana izany ny fidirana amin’ny vanim-potoana mikirakira ny niomerika», hoy ny tale jeneraliny, Rahaingonjatovo Vimbina. Hiara-miasa amin’ny banky lehibe fito eto Madagasikara ny Cnaps amin’ny fanefan’ny orinasa ny trosa sosialy amin’ny banky. Misy tolotra manokana avy amin’ireo banky ireo momba izay. Tolotra faharoa ny fandoavana ny latsakemboka avy amin’ny tompon’ny orinasa (manana mpiasa latsaky ny dimy) amin’ny alalan’ny finday ka mikirakira ny Mobile banking. Miara-miasa avokoa ny orinasa telo: Orange, Airtel ary ny Yas, anatin’ny 24 ora tsy miato.
Tolotra fahatelo natokana ho an’ny mpampiasa “Cnaps e-paiement”, hanefana ny latsakemboka azo atao “en ligne”, ny fampiasana ordinatera sy finday. Voaara-maso sy misy porofo ny fandoavana ny latsakemboka ary mihodina fito andro. Ho an’ny olona mila fanazavana sy vaovao momba ny tolotra samihafa omen’ny Cnaps, misy ny “Cnaps chat bot” fa tsy voatery mandeha eny amin’ny birao intsony. Afaka miserasera amin’ny finday.
Novolavolaina ireo tolotra efatra vaovao ireo hanafainganana ny asa rehetra, indrindra ho an’ireo orinasa any amin’ny faritra lavitra sy voatery mandany fotoana teo aloha. Heverina fa hampazoto ny fandrotsahana ny latsakemboka avy amin’ny mpampiasa sy ny orinasa ny tolotra vaovao manaraka ny fivoaran’ny toetrandro ka hampiakatra ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny fiahiana sosialy.
Ho fankasitrahana ireo orinasa misehatra amin’ny fizahantany manaja ny zo sosialin’ny mpiasa ao aminy, notolorana ny “Label champion du social” ny orinasa 11 nisolo tena ireo 88 nahazo izany ny taona 2024.
Vonjy




