Fandraharahana-EDBM: hamafisina ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra

Miantraika mivantana amin’ny fisintomana ireo mpandraharaha vahiny ampiasa vola eto Madagasikara ny fomba fiasa vaovao napetraky ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) tao anatin’ny fandaharanasa “Projet de Réformes liées au Climat des Investissements” (PRECI).

Tetikasa iarahana amin’ny Unité de Gouvernance Digitale, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) izay vatsian’ny vondrona eoropeanina (UE) vola tao anatin’ny efa-taona ny Preci. Nanatsara ny sehatry ny fandraharahana eto amintsika izany tamin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra hanafainganana ny fikarakarana taratasy sy fitantanana orinasa. Tafiditra tao anatin’izay ny fametrahana ny vovonana “Orinasa”, hanaovana “immatriculation en ligne” ny orinasa miforona eto Madagasikara. Manaraka azy ny E-work, ahafahana manome fahazoan-dalana an’ireo teratany vahiny miasa eto amintsika. Ary ny Madazef, fomba hitantanana ireo orinasa afakaba eto Ma­dagasikara. Arak’izany, “vita ao anatin’ny 48 ora ny fanomezana laharana ny orinasa amin’ny fampiasana ny niomerika vantany vao feno ny taratasy rehetra takina”, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle. Hamoraina sy vitaina ao anatin’ny 10 andro ihany koa ny famoahana ny fahazoan-dalana miasa an’ireo teratany vahiny eto amintsika raha toa ka iray volana vao nivoaka izany teo aloha. Notohizany fa manamora ny fangatahana na koa fanovana ny “demande d’agrément” an’ireo orinasa afakaba ny fampiasana ny vovonana Madazef.

Tombontsoa

Tafiditra amin’ny fanavaozana natomboka tamin’ny taona 2021 ny tetikasa. “Mampihena ny fotoana lany sy ny fivezivezena amin’ny fikarakarana taratasy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra”, hoy ny mpandrindra ny “guichet unique”, Rako­toelison Mialy. Ankehitriny, azon’ny mpangataka arahina ana habaka ireo dingana natao sy ny fivoaran’ny dosieny ary mangarahara tanteraka ny fampiasana izany. Ankoa­tra izay, misy ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina Antanana­rivo renivohitra (CUA) amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra mahakasika ny “demande d’alignement” sy “délivrance de permis de construire”. Ankilany, nisy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny EDBM hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika. Tao anatin’izay ny fanavaozana ny fomba fiasa natao teny amin’ny minisitera isan-tsokajiny entina hampahafantarina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Henintsoa

Partager sur: