Madagascar Airlines: Mifampizara kaody amin’ny Air Austral

Vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaompania Madagascar Airlines sy ny Air Austral momba ny fizarana « codeshare ». Ity farany izay « accord tarifaire spécial (SPA). Tanjona ny hanatsarana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy La Réunion ary ireo firenena hafa. Noho izany, afaka mamandrika toerana amin’ny laharana MD an’i Madagascar Airlines amin’ireo zotra ataon’ny Air Austral mampitohy an’i La Réunion sy ny Nosy malagasy ny mpandeha. Tombony ihany koa ny fahafahan’ny mpanjifa misitraka ireo sidina iraisam-pirenena ataon’ny kaompania Air Austral mampitohy an’i Bangkok sy Johannesbourg. Mbola afaka mampitohy ny sidina eto an-toerana ataon’ny Madagascar Airlines ihany koa ny kaompania Air Austral amin’alalan’ny SPA. Kendrena ny hampiroborobo ny fifandraisana eo amin’ireo Nosy manodidina sy ny eto amintsika. Afaka misitraka ny tapakila eny anivon’ireo kaompania roa tonta, nanomboka ny volana jona teo, ny mpanjifa. « Tafiditra anatin’ny Drafi-panarenana Phénix 2030 ataon’i Madagascar Airlines izao fiaraha-miasa izao. Tanjona ny hampahafantarana ny Nosy malagasy sy ireo faritra mampiavaka azy hampiroboroboana ny fizahantany », hoy ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Thierry de Bailleul.

Henintsoa

Partager sur: