Tsy mety foana ny trafikana harena voajanahary mankany ivelany. Ankoatra ny volamena sy ny sokatra, misy manondrana an-tsokosoko koa ny varika.
Varika, karazana sifaka, miisa efatra no tratra teny amin’ny seranam-piramanidina Ivato, ny alahady 29 jona teo. Nitondra azy ireo ny olona roa, lehilahy teratany kaomoriana mizaka zom-pirenena malagasy sy vehivavy malagasy, saika handray ny sidina Emirates EK 708. Hita tao anatin’ny valizy nentin’ireto mpandeha ireto, ireo varika ireo.
Fanomezam-baovao sy fanaraha-maso akaiky nataon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), niaraka tamin’ny polisim-pirenena no nahitana izao vokatra izao. Nalefa avy hatrany teny amin’ny Foibe fitazonana nahazoan-dalana ireo sifaka, natao fitiliana ara-pahasalamana, mialoha ny hamerenana azy any amin’ny toeram-ponenana voajanahary.
Heloka bevava
Tombanana ho avy any amin’ny faritra arovana any avaratra andrefan’i Madagasikara no nakana azy ireo, izay toerana tena ahitana ny sifaka. Toy ny amin’ny helodranon’i Baly, na manodidina ny distrika Soalala, ohatra, izay tena ahitana ity karazana varika ity. Ao anatin’ny tovana 1 an’ny Cites sy ny lalàna ny sifaka, mandrara tanteraka ny fihazana, ny fisamborana, ny fiompiana, ny fivarotana ary ny fanondranana any ivelany. Sokajiana ho heloka bevava raha avy amin’ny faritra arovana.
Njaka A.




