SOMBIM-BAOVAO

Nahazo ny fankasitrahana « Fide Outstanding Contribution Award », avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny taranja Echecs i Madagasikara. Vokatry ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny taranja eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no anton’izany fankasitrahana iraisam-pirenena ho an’ity taranja ity izany.

Hotanterahina any Toamasina, ny 5 hatramin’ny 12 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Miisa 24 ireo ekipa, sokajy lehilahy, raha 20 kosa ny sokajy vehivavy no efa fantatra fa hifaninana amin’izany. Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy mahakasika ireo mpilalao ny mpanara-maso izany avy eo anivon’ny federasionina.

Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao anaty tambajotran-tseraserany, omaly, ny anaran’ireo klioba nahazo ny “Licence des Clubs” avy amin’ny Caf. Anisan’ireo nahazo izany ny Ajesaia, ny Elgeco Plus, ny FC Rouge, ny AS Avenir Ste Anne, ny CFFA. Ireo ihany, araka izany, no afaka mandray anjara amin’ny lalao afrikanina.

Partager sur: