Nisokatra ny taona 2019 ny sekoly iraisam-pirenena tiorka Maarif eto Madagasikara, raha ny taona 2016 no niparitahany manerana ny firenena maro. Misy kilasy garabola hatramin’ ny oniversite. Tsy miankina amin’ny finoana ity sekoly iraisam-pirenena ity, ary anisan’ny ifotorany ny teknlojia sy ny matematika, ny siansa sosialy, sns. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Maarif eto Madagasikara, Bilal Demirçi, fa efa misy am-polony ny tanora nahazo vatsim-pianarana mianatra any Torkia, ankehitriny. Sokajim-pampianarana malagasy na frantsay no misy ao an-tsekoly. Mahafehy tenim-pirenena enina ny mpianatra, toy ny malagasy, ny tiorka, ny frantsay, ny anglisy, ny alemà ary ny espaniola. Ankoatra ny taranja mahazatra, misy hetsika samihafa, toy ny karaté, lomano, tenisy, robotika, fikirakirana plastika, sns koa ao amin’ny sekoly.
Nilaza ny masoivoho tiorka eto Madagasikara, Ishak Ebrar, fa niisa 32 ny mpianatra voalohany voaray tao, raha tafakatra 225 tamin’ity taom-pianarana 2025 ity. Miisa 300 ny efa voasoratra anarana ho an’ny taom-pianarana 2026.
Nahazo ny loka voalohany tamin’ny Festival des Sciences tany Abidjan Côte d’Ivoire, ny avrily teo, Andriamihamina Yvan, mpianatra kilasy Terminale S amin’ny sekoly. Nahavita namorona fonon-tanana ho an’ny jamba izy. Nofaranana ny zoma 27 jona teo, teny amin’ny CCI Ivato, ny taom-pianarana 2024-2025.
Njaka A.




