Fialantsasatra lehibe: Tafakatra 40 000 Ar ny saran-dalana mankany Toamasina

Nidina ny vidin-tsolika, fa hiakatra kosa ny saran-dalana mankany amin’ny faritra. Mifanandrify amin’ny mahabe ny mpandeha amin’izao fidirana amin’ny fialantsasatra lehibe izao izany.

Hisondrotra daholo ny an­kamaroan’ny saran-da­lan’ny fiara mpitatitra mi­ainga eto Antananarivo mankany amin’ny faritra. Manodi­dina ny 5 000 Ar hatramin’ny 10 000 Ar ny fiakarany raha oharina ny teo aloha, arakaraka ny halaviran-dalana.
Raha ny vaovao nampita­in’ny tompoandraikitry ny kaoperativa etsy Ambodivona sy ny eny amin’ny toby fiantsonana Maki Andohatapenaka. Hi­hatra manomboka rahampi­tso, zoma 4 jolay, ny fiovan’ny saran-dalana. Hiakatra ho 40 000 Ar ny mankany Toa­ma­sina, raha 35 000 Ar teo aloha. Hisondrotra ho 55 000 Ar ny mankany Fenoarivo Atsi­­nanana raha 50 000 Ar teo aloha.
Ho lasa 70 000 Ar ny mankany Mahajanga, raha 60 000 Ar teo aloha. Mitovy amin’izay, ho 70 000 Ar izay koa ny mankany Antsohihy. Hiova ho 100 000 Ar ny Antananarivo-Ambanja raha 90 000 Ar teo aloha. Hisondrotra ho 110 000 Ar ny Antananarivo- Bealana­na raha 100 000 Ar teo aloha, ary mitovy amin’izay ihany koa ny Antananarivo-Ankify.

Taitra ny mpandeha
Nisy fihenany 200 Ar/l ny vidin-tsolika, vao ny talata 1 jolay teo, toy ny fiovaovany isam-bolana nanomboka ny janoary 2025 teo. Nidina ho 4 900 Ar ny litatry ny gazoala, tena ampiasain’ny mpitatitra taksiborosy. Taitra ny mpandeha manoloana izany, satria izao nasondrotry ny mpitatitra izao ny saran-dalana. Rehefa zohina, mifanandrify ao anatin’ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe, mahabe ny mpanjifa no nampiharan’ireo kaoperativa ny saran-dalana.
Raha ny fanazavan’ny mpamily sy ny tompona fiara, maro ny antony tsy maintsy hampiakarana ny saran-dalana, satria betsaka ny masonkarena lany. Anisan’izany ny ha­ratsian’ny lalam-pirenena (RN2, RN4, RN6, RN7,…), ka maro ny kojakojan’ny fiara tsy maintsy soloina, sady mitombo koa ny fotoana lany eny an-dalana. Atao adiny 12 ora fara-fahakeliny Antananarivo-Toa­ma­sina, raha adiny 8 ha­tramin’ ny adiny 9 izany tamin’ny fotoana naha tsara ny lalana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: