“Afrobasket 2025”  : Hitondra ny Ankoay i John Douanglin sy i Ndranto

Afaka iray volana, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Afrobasket 2025”, any Angola. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasionina mala­gasin’ny basikety, fantatra fa hitondra ny Ankoay, mandritra io fifanintsanana io, i John Douanglin, teknisianina fran­tsay sy Rakotonanahary Ndranto.
I John Douanglin izany no handimby ny toeran-dRavo­nimbola Jeannot, mpanazatra ny Ankoay teo aloha, izay nahatafita ny ekipa nasionaly amin’izao dingana izao.
Araka ny vaovao voaray, omaly ihany, mpilalao 14 no hiatrika ny fampivondronana izay hatao any France sy Espagne. Efa nanainga ny faran’ny herinandro teo moa ireo mpilalao voaantso avy eto an-toerana.
Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona « B » no misy an’i Madagasikara, mandritra ity fifanintsanana ity, miampy an’i Tunisie, Nigeria, ary i Came­roun.

Fitia Randria

Ireo mpilalao 14 voaantso hiatrika ny fanomanana:

Rija Lahontan – Ail Rousset, France
Mathias M’madi – CB Moron, Espagne
Austin Rasolonjatovo – Saint Vallier BD, France
Elly Randriamampionona – GNBC, Madagasikara
Kiady Razanamahenina – France
Sitraka Raharimanantoanina – Elan Bearnais, France
Livio Ratianarivo – COSPN, Madagasikara
Hasina Rasolonandrianina – Fandrasa, Madagasikara
Monja Faralahy – Ascut, Madagasikara
Anthony Rasolomanana – COSPN, Madagasikara
Arnol Solondrainy – COSPN, Madagasikara
Fiary Rakotonirina – GNBC, Madagasikara
Lovasoa Andriatsarafara – Minot State, Etazonia
Kanto Arimanana – Mada Pro, Madagasikara

Partager sur: