Namaky bantsilana ny tsy fetezana eo amin’ny fitantanana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club des Elites de Football Madagascar (CFEM). Misy mitsabaka andraikitra ireo mpitantana eo anivon’ny federasionina malagasy (FMF), hoy izy.
Nivoaka tamin’ny fahanginany, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM). Manoloana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy amin’izao fotoana izao, nambarany fa fototra sy mahatonga ny korontana ny kaomity mpitantana ao amin’ny federasionina malagasy (FMF).
“Manana klioba mifaninana ry zareo ka mibaiko sy mametraka izay tiany atao”, hoy izy nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, teny Andoharanofotsy, omaly.
Nolazainy fa tsy misy hidiran’ny CFEM velivevy ny fanendrena mpitsara fa ireo no manao izany. Ankoatra izay, ireo mpikambana ao amin’ny FMF ireo no mamaritra ny kianja hilalaovan’ny ekipa. Anjaran’ny CFEM anefa izany sy manao ny fandaharam-potoana rehetra”, araka ny lazain’i Tôta, izay tsy nitsitsitsy fitenenana mihitsy.
Ny amin’ny famindrana ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny PFL eny Vontovorona rahampitso alakamisy, fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny CFEM izany. Hatao etsy Mahamasina ny famaranana, saingy mbola miandry ny daty hahazoana io kianja io. “Tsy misy maha maika satria efa nahazo hatramin’ny 31 jolay handefasana ny anaran’ny ekipa hanao fifaninanana afrikanina any amin’ny Caf”, hoy i Tôta.
Ny amin’ny savorovoro teo amin’ny Mama FC sy ny Elgeco Plus indray dia hanao tatitra ny CFEM satria lalao niandraketany iny ary alefa any amin’ny rafitra ambony nangataka izany. Farany, nomarihiny fa tsy anjaran’ny federasionina ny misahana ny “licence des clubs” fa an’ny Caf. Sosokevitra narosony, ny tsy tokony handraisan’ireo ekipa tsy manana izany, amin’ny fifaninanam-pirenena manaraka mba tsy hisian’ny olana.
Tompondaka




