“Kolosary”, sekoly hianarana ny sarimihetsika sy horonantsary eto Madagasikara. Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo matihanina amin’ny sarimihetsika, hanatontosana ity tetikasa ity. Handray mpianatra manodidina ny 150 any am-piandohany ny Kolosary ka haharitra 3 taona ny fiofanana isan’andiany. Anisan’ny tompon-kevitra amin’ity tetikasa ity i Laza, mpanatontosa sarimihetsika.
Saripika – Misongadina any ivelany i Emmanuelle Andrianjafy. Nahazo ny « Prix pour la photographie 2025 – Musée du Quai Branly ity mpaka sary malagasy, monina any Nairobi ity. « The Maze » no nampisalorany ny tetikasany, izay maneho an-tsary ny fiverenany indray an-doharano, rehefa tsy teto an-tanindrazana nandritra ny 20 taona. Andiany faha-17 ity loka ity, izay hanomezana lanja ny sanganasan’ireo mpaka sary manana lohahevitra miavaka.
« Revy gitara », miaraka amin’i Fara Gloum. Fiarahana hatao etsy amin’ny Le Bistrot d’Ankorondrano, anio manomboka amin’ny 8 ora alina izany. Hiara-hianoka ireo vazo an-gitara, indrindra ireo naverin’i Fara Gloum manokana izay rehetra ho avy ao. Misy amin’ireny no ao anatin’ny rakikirany manokana. Ao ireo niarahany nihira tamin’i Tselonina ary tsy ferana koa ny hira vahiny.




