Coupe Internationale de Tana: Nahatratra 374 ireo mpifaninana

Fahombiazana ! Naha­tra­tra 374 ireo mpifanintsana tonga namaly ny antso nandritra ny fifaninanana karate, “Coupe Internationale de Tana”, andiany voalohany, izay notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Lapan’ny Fana­tanjahantena Mahamasina. Nahitana atleta vahiny 40, avy amin’i France, Mayotte, sy La Reunion, ity fiadiana ny am­boara izay karakarain’ny seksiona Antananarivo Renivo­hitra ity.
Nilaza Ramandimbima­nana Pierrot Delphin, filohan’ ny seksionina Antananarivo Renivohitra, fa tanjona amin’ ity hetsika ity, ny hampiaka­rana ny lentan’ny fifaninanana karate eto Madagasikara sy ny fahaizan’ireo Karateka mala­gasy. Tonga nanatrika ity he­tsika goavana ity, ny filohan’ny Federasiona Karate-do Mala­gasy (FMK), Ratefinanahary Emile, sy ny lehiben’ny Fede­rasionina Karate avy atsy Mayotte, Houzali Halima sy ny mpitantana ny Karate ao La Reunion, i Adolphe Pepin.
Samy nilaza ireo mpitantana ireo, fa hisy ny fiaraha-mientana amin’ny fampiroboroboana ny taranja Karate aty amin’ny faritra ranomasimbe Indianina. Mbola nanamafy an’izany koa ny lehiben’ny federasionina FMK, fa efa nankatoavin’ny Federasionina Frantsay, ny volana janoary teo ny fahafahan’i Mayotte sy la Reunion, mifaninana amin’ ny fifanintsanana tahaka izao.

Fitia Randria

Hatao eto Madagasikara ny fifaninanana Afrika Atsinanana

Hampiatrano ny fifaninanana Karate aty Afrika Atsinanana indray, ny malagasy. “Noho ny fahatokisan’ireo Federasionina iraisam-pirenena WKF sy ny Federasionina Afrikanina, UFAK, horaisin’i Madagasikara, ny volana desambra ho avy izao , indray ny fifanintsanana Karate aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana”, hoy Ratefinanahary Emile, filohan’ny FMK.

Partager sur: