Rally TMF: Voalohany i Faniry sy Mahents

Tontosa omaly, ny andiany faha-20 amin’ny Rally TMF. Din­gana faharoa, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara amin’ny famoriana fiarakodia. Nitana ny laharana voalohany, i Faniry sy i Mahents, avy amin’ny klioba TMF Rally sy ASACM, nitondra ny fiara P.208 T16. Nisongadina ny fahaiza-manaon’izy mirahalahy, niampy ny tanjaky ny fiara nentiny nandritra ny hazakazaka. Tao anatin’ireo telo voalohany hatrany izy ireo, tamin’ny fanatontosana ny dingana manokana “ES” miisa 12, mirefy 130, 300 km. Faharoa, i Mika sy i Fafah, mpanamo­rin’ny TMF Rally sy TACS, niaraka tamin’ny Mitsubishi EVO X ary fahatelo, i Mathieu sy i Heri-Possible, nijapy ny Subaru. Anisan’ ireo mpanamory nahavita ny hazakazany, ka niditra fahefatra i Herman sy i Koloina, avy amin’ny TMF Rally ary fahadimy namarana ny fiakarana ny lapihazo, i Alain sy i Yves Mau, ekipazin’ny ASA Tana sy ASACM. Dingana manaraka ho an’ireo mpifani­nana amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara ity, ny Rally du Boeny, hotontosaina ny14 ka hatramin’ny 16 aogositra, ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: