Basikety – Analamanga: Hatao ny 27 jolay ho avy izao ny lalao famaranana

Efa miditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, izay hatao etsy amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra teny an-toerana, hotontosaina ny 27 jolay ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny lalao famaranana ho an’ny sokajy rehetra, amin’ity fifanintsanana ity.
Zava-dehibe tokoa ny fifanintsanana rezionaly tahaka izao, hisolo tena an’Anala­man­ga, mandritra ny fifanintsanana iraisam-pirenena izay mendrika amin’izany. Araka ny fanazavana azo ihany, efatra isan-tsokajy no afaka hiakatra amin’ny dingana nasionaly, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsiahivina fa tamin’ny taona lasa, afaka nandefa solontena valo ny ligin’Anala­manga.
Tsara ny mampahafantatra fa misy sokajy zokiny “Veterants” lahy sy vavy, ary zandriny U20 sy U14 ity hetsika etsy Mahamasina ity. Ha­nomboka amin’ity herinandro ity, ny ampahavalon-dalan’ny U14 lahy sy vavy.

F.R

Partager sur: