Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fiadiana ny “Masters 2025”, anio talata. Vonona avokoa ireo ekipa miisa 7 hiady lohany amin’izany. Anisan’ireo hiatrika izany ny ekipa malagasy. Nanolo mpilalao anefa ny mpanazatra ka nosoloina an’i Yves Cédrick i Tianakely.
Hotanterahina anio ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, eo amin’ny tsipy kanetibe. Hampiantrano izany, i Soustons. Samy nanomana mafy ny ekipany ny tsirairay. Raha ho an’i Madagasikara, nanova ny firafitry ny mpilalao ny mpanazatra. Naka ny toeran’i Tianakely indray i Yves Cédrick. Araka izany, i Zigle sy i Balôty ary i Yves indray izany no hijoro amin’ity. Yves izay vao avy nandrombaka ny « Mondial La Marseillaise » ka mbola ao anatin’ny tanjany tanteraka.
Tsiahivina fa i Madagasikara no nandrombaka ny dingana voalohany, tamin’ity «Masters 2025» ity ary manana isa 10. Faharoa, ny ekipa Wild Card, ahitana an’i Desport sy i Jackel ary i Delahaye. Izy ireo no resin-dry Zigle teo amin’ny famaranana nandritra ny dingana voalohany tao St Gilles Croix de Vie. Nahazo isa 7 ireo ekipa ireo. Fahatelo, ny ekipa Bonetto, miaraka amin’i Cousin sy i Montoro, nahazo isa 5. Mitovy laharana sy isa amin’izy ireo i Riviera sy i Baudino ary i Hatchadourian.
Any amin’ny laharana fahadimy, ny ekipan’i France misy an’i Dylan Rocher sy i Feltain ary i Doerr, manana isa 2. Toy izany koa ry zareo Italianina, tarihin’i Diego Rizzi, tompondaka maneran-tany 2024 sy i Cometto ary i Chiapello. Laharana fahafito, ny ekipan’ilay Malagasy, Andriantseheno Christian (Racl) sy Helfrick ary i Magny. Tsy mbola manana isa aloha izy ireo satria indroa resy tamin’ny dingana voalohany.
Niadiana omaly kosa ny toeran’ny ekipa fahavalo ka ireo mpilalao ao Soustons no nahazo izany. Arahin’ireo mpanao gazety any an-toerana sy ireo mpankafy fatratra ny lalao ataon’ny Malagasy, izay heverina ho anisan’ny ekipa andrarezina amin’ity “Masters 2025” ity.
Tompondaka




