Efa nanomboka ny alahady lasa teo, tany Moramanga, ny hetsika “Mada Tour”, izay tontosain’ny Disciples FC Vakinankaratra. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hitiliana mpilalao izay hanatevina ny ekipan’ny Disciples FC. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny klioba, Johny Rijaniaina. Nahita lesoka tanteraka ny klioba indrindra teo amin’ny fanomanana raha ny nambarany. “Nahatsapa izahay fa ratsy ny vokatra azo tamin’ity taom-pilalaovana ity, ka izay no antony nanaovana ity karazan-dalao fitetezam-paritra ity, ankoatra ny fitsirihana mpilalao”, hoy i Johny Rijaniaina, mpitantana ny Disciples FC.
Aorian’ny faritr’i Moramanga, hiitatra ho any Ambatondrazaka ny klioba, ny 20 jolay ho avy io. Ny 26 – 27 jolay kosa, hisitaka ho any Brickaville sy Toamasina indray izy ireo. Rehefa vita izany, hiverina eto Antananarivo ireo tomponandraikitra. Hisy ny fihaonana hataon’izy ireo any amin’ ireo faritra Atsimo, any Fianarantsoa ary Vakinankaratra.
Nomarihan’ny lehiben’ny klioba, fa maro ny manan-talenta eto Madagasikara, fa rehefa mahafeno ilay fepetra takin’izy ireo ilay mpilalao dia alainy. Tsara ny mampatsiahy fa ny Disciples FC, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ny taona 2024 lasa teo, ary efa niatrika ny fifanintsanana Afrikanina, LDC Caf. Tamin’ity taom-pilalaovana ity, lavo teo amin’ny ampahefa-dalana ireto mpilalaon’i Vakinankaratra ireto, nandritra ny fifaninanam-pirenena World Cola PFL. Nihintsana teo amin’ny 1/16 dalana kosa izy ireo tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara.
Fitia Randria




