Nandrombaka ny amboaran’ny Wimbledon, taranja tenisy, tany Londres, ny alahady lasa teo, i Jannik Sinner, italianina, mpilalao tenisy. Lavon’ny tamin’ny seta 3 no ho 1, ilay espaniola, Carlos Alcaraz. Afa-bela tamin’i Alcaraz, araka izany, ity mpilalao ity. Tsiahivina fa i Alcaraz, nanakana an’i Sinner, tsy haka ny Roland Garros, tany France, ny volana jona lasa teo.
Voahosotra ho tompondaka ny Fandrefiala Analamanga sy ny ASSM Analamanga, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy. Fifaninanana notontosaina tany Toamasina nanomboka ny 5 jolay hatramin’ny 13 jolay lasa teo.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika “Jamboree Nationale Minibasket”, karakarain’ny kaomisionina misahana izany eo anivon’ny Federasionina malagasin’ ny basikety. Ny sokajy latsaky ny 12 taona sy ny latsaky ny 14 taona no voakasik’izany ka hisy ny fifaninanana hitranga mandritra izany.




